4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Antsampandrano - Ricky

Tafasaraka tampoka teo ny làlana e !

Tafasaraka tampoka teo ny làlana

Fa tao an'elanelany tao nisy sampanana e !

Ianao manohy ho any amin’ny mandrakizay

Efa mandry am-piadanana

Tapatapaka ity ny ankalana

Rovidrovitra teo ilay lambanana

Lamba mena sy lamba landy sisa no hikambanana

Ny hira nifanaovana aza zary lasa kopakopa-tànana

Ny lanitra manga nanjombona toa mosarena avana



Tafasaraka tampoka teo ny làlana e !

Tena tafasaraka tsy nampoizina teo ny làlana

Fa tao an'elanelany tao nisy fifandaozana

Tsy mitovy ny ratram-po ny mpandao sy ny ilaozana

Fa very aho very namana

Raha very anao very fihavanana

Ny diavolana naratra tao aorinan’ilay fenomanana

Ny lanitra manga nanjombona toa mosarena avana



Maso mena manganohano

Mipitrapitra fa mba tantano

Toa mason-jaza manganohano

Miandry ilay mpitantara angano

Karakaina ka mila rano

Tsy mety voky fa mba fahano

Ny alahelo anao efa mahamamo

Nanjombonjombona ny teny Antsampandrano



Izany anie no niantsoako anao tamin’iny

Hifampizara ny alahelo sy ny mangirifiry

Izany anie no niantsoako anao impiry impiry

Hoatran’ny eo ihany nefa any ambadika any manao tohivakana

Mampifandray ny eto sy ny any



Tendry lavitry ny fo, tendry lavitry ny maso

Dia mahandrasa lohataona raha hamafa ranomaso

Fa efa vitanao sary, efa vitanao ny loko

Vitanao tsara, voatahiry tato am-poko

Tsy nisy nahasakana fa hary elatra ilay vakana

Tsy mbola lany kay ny kintana kintana miaro ny mpanazary

Ireo mpanao hatsarana, ny mpamosaka ny ho avy

Ny mpampihavana

Fa volamena latsaka am-bovoka ka tsy hitan-doto

ilay Richard Razafindrakoto

Efa tonga any amin’ilay tontonlo manambina izy fa tsy mba manoto



Maso mena manganohano

Mipitrapitra fa mba tantano

Toa mason-jaza manganohano

Miandry ilay mpitantara angano

Karakaina ka mila rano

Tsy mety voky fa mba fahano

Ny alahelo anao efa mahamamo

Nanjombonjombona ny teny Antsampandrano



Tsy manahy tsy maninona

Soavadia dia ambinina

Fa lohataona sy ririnina

Tsikinao raika, teninao raika

Efa feno hasina, mandroso hasina, Mandrarihasina

Fa volamena latsaka am-bovoka ka tsy hitan-doto

Efa tonga any amin’ilay tontolo manambina izy fa tsy mba manoto

Hoatrahoatran’izay izany ilay Richard Razafindrakoto



Olombelo Ricky


Partager antsampandrano

Commenter antsampandrano

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ricky

Suite