4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Loharano - Ricky

LOHARANO (Ré)



Loharano Zà tantano ô, hanaraka anao an-doharano ô!

Loharano Zà mba hoento e, hanaraka anao hiventsoventso e!

Diavolana mangamanga, manazava ireo kintana e!

Loharano manangasanga, mitso-drano ireo vintana e!

Ny lanitra manga mazava e, avy hatrany dia hitany e!

Ireo hira handihizan'ny zaza e, na maratra aza sitrana e!



Loharano aza hadino ô, ilay fihavanana vimbino ô,

Loharano tadidio e, mozika masina madio e!

Diavolana fenomanana, manatsara ny fihavanana e!

Mozika mitory fitiavana, manazava ny lalana e!

Mozika miantso ahy namana, tsy misy elanelana e!

Tso-drano avy any @ lalina, zava-kanto tsy ferana e!



Réfr:

Mozika tsisy farany e, zarainay aminao am-pitiavana e!

Mozika tsisy farany, omenay anao am-pitiavana e!

Mozika feno fanahy, zarainay aminao f'aza manahy

Mozika feno fanahy, zarainay aminao f'aza manahy



Loharano 'zay vangio e, vangio matetika tsidio e,

Loharano 'zay mba hoento e, hoento any  amin'ireo tontolo tsisy sento e

Fenomana feno hafaliana, ho ela velona e

Zava-masina tsy azo vidina, isika olombelona e,

Diavolana manga mazava, manazava ireo kintana e,

Loharano manangasanga, mbola azo hifikirana e!



Réfr:

Mozika tsisy farany e, zarainay aminao ampitiavana e,

Mozika tsisy farany e, omenay anao ampitiavana e!

Mozika feno fanahy, zarainay aminao f'aza manahy

Mozika feno fanahy, zarainay aminao f'aza manahy





Mandrosoa hasina e....



OLOMBELO RICKY/FELANA (ZARAHASINA)

Partager loharano

Commenter loharano

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ricky

Suite