4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mbola zaza - Ricky

Mbola zaza ’lay fitiavako

Dia voafinganao sahady

’Lay fonenany namboariko

Nanjary fo mangadihady

Nifandimby nifanesy

Nifanosika ny taona

’Lay fitia mbola resy

Gina, maina, sady moana

Dia nofadiako hatreo sy natahorako tokoa

Ny hanandrana haneho

’Lay fitiavana any am-po

Nitampify, nihafihafy tsy sahy

Nangina tsy nahaloam-peo

’Lay fitiavana izay mbola manahy



Kanjo indro indray maraina

Nisy taratra hafa loko

Masoandro tsy hay tohaina

No nandonaka ny foko

Ka taitra ilay fitiavako

’Lay fitiavako, mangovitra

Natahotra fandavana

’Ty lamba anefa rovi-drovitra



Teny roa toa teny iray

Eny vokatry ny fo

No nanome aina indray

Ilay fitiavana tao am-po

Efa maro ireo niantsoako anao

Tsy nahalaza ilay anao

Dia ilay ianao nahay namelona

Ilay fitiavana tanatiko tao

Fitiavana no iantsoako anao

Fitiavana tokana iray

Ireo no nahalaza ilay anaranao

Ilay fitiavana mandrakizay



Fitiavana no iantsoako anao

Partager mbola zaza

Commenter mbola zaza

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ricky

Suite