4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ody aina - Ricky

Ody Aina



Efa nataoko daholo, izay mety nahasoa anao manontolo

Dia tena nomeko avokoa, ireo vokatry ny fanahy sy ny vokatry ny fo

Efa lasanao ts’isy fetra, ireo tontolo misy ahy izy rehetra rehetra



Efa nataoko tsisy diso, izay hahasambatra anao na androany na ampitso

Dia tena nataoko izay nety, na tamin’ny andro tsotra io na tamin’ny andronao fety

Efa nekeko foana ho a, f’ izay misy anao tsy maintsy misy ahy



Tsy mifidy tontolo aho hitiavako anao ôôô

Izaho tsy sarotiny amin’izany raha ho anao ôôô

Tsy mifidy tontolo aho hitiavako anao ôôô

Izaho tsy sarotiny amin’izany raha hahasambatra anao eeee



Efa nataoko tonga hira, hira sarobidy ho tsara tahiry

Dia nanaovanao soraty,  na ho anao any na ho anay aty

Efa nanamboarako hira, ho anao irery ho teny manan-jina



Efa natokako ho anao, ireo tontolo tsy hita maso hilalaovanao

Tena fitia vita sorona, nefa ianao tsy mino fa mbola namorona,

Dia niara-nanao velirano, fa tsy hanotafady n’inon’inona mandalo (2)



Tsy nifidy tontolo aho hitiavako anao ôôô

Izaho tsy sarotiny amin’izany raha ho anao ôôô

Tsy mifidy tontolo aho hitiavako anao ôôô

Izaho tsy sarotiny amin’izany raha hahasambatra anao eeeee



Fa isika moa efa niara-nanaiky,

Fa hifanome tanana raha sanatria misy taraiky

Dia efa nekenao daholo, tsy mifidy tontolo ôôô

Dia efa nekenao ilay velirano, ody aina, ilay velirano ody aina ee!



Efa nataoko izay nety (4)



Olombelo Ricky. 2006

Partager ody aina

Commenter ody aina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ricky

Suite