4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Omeo elo - Ricky

Ampindramo elo aho mba hialofako e !

Ampindramo tsikinao hirakofako

Ampindramo aina aho sao folaka e !

Hitondray fitiavana aho ho fiarovako



Fa eo anilanao eo ihany kay no misy ny rovako

Any anelanelanao any no misy ny lovako

Ampindramo aho hialofako e!

Ampindramo aho sao folaka e!



Ampindramo ny andronao aho dia ho tafa Andriamanitsara

Dia hitondray rano mba hanaranara

Manana ny vintana tsy diso anjara

Fa rehefa feno dia mitobaka dia afaka mizara

Izay manao ny tsara ihany ho a no manaranara

Izay manao ny tsara ho a ho tsara fiafara

Izay manao ny tsara ihany ho a no manaranara

Seeee soneneninôôôôô



Fa na alina aza hono

Tsy mba maizina ny azy ny fony

Fa na merik’aza ny andro

Ny ao am-pony ao feno masoandro



Tsara joro hany aho anilanao ôôôô (2)



Ampindramo aho hialofako eeeee!

Tantano aho sao folaka eeeee!

Ampindramo aho sao folaka eeee!

Tantano aho sao potraka eeeee!



Fa farafaharatsiny aloha, miverina ilay fitiavana

Fa farafahakeliny aloha, miara-mivelona am-pitiavana

Fa farafaharatsiny aloha, tena velona ilay fitiavana,

Fa farafahakeliny aloha, izay tsy vita t@ fanahy dia vita @ fo



Olombelo Ricky- ODIAINA 2006

Partager omeo elo

Commenter omeo elo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ricky

Suite