4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tamin'izay andro izay - Ricky

Nohiraiko mangina ireo lasan’omaly

Nantsoiko tamin’ny hira izy

Tsy nety namaly

Fa na rahoviana omaly sy androany

Mba tiako hojijina hatrany aminao hatrany aminao any eee. Nefa anie....



Tamin’izay andro izay e

Tsy tadidiko ho’aho ny daty

Fa nodoranao izay vita

Toa lasa sorona dia maty



Tamin’izay andro izay ho a,

Tsy tsaroako fa nisy

Nisy teny tena izy e

Lasa antsa lasa jijy



Tamin’izay fotoana izay e

Nisy izay tia ry olon-tiako hozizy ianao

Nisy izay tadiavinao

Nefa izaho nitotototo ô

Mbola nameno ny tsy feno ô

Ka raha tendrenao tsy maneno ô(2)



Izy ity efa hira henonao tany

Fitia vita dina mamafa tomany

Misy teny efa tena tadidinao ihany

Ka nomenao ny hafa anefa vazo mitovy any

Ny sento aza fafany...



Tamin’izay nofy izay e

Nisy hafatra tsy nety tonga e!

’Lay fonao fefy mafonja e!

Ranomaso be manonjanonja

Tsy nisy lakana nitondra e



Dia tamin’izay fotoana izay ho a!

Toa tsaroako fa nisy

Nisy sento rehefa dify e

Dify ianao nitondra diso ô



Dia tamin’izay fotoana izay ho a!

Tamin’izay nofy izay e!

Misy ’zay tia ry olon-tiako hozizy ianao

Misy izay tadiavinao

Dify ianao nitondra diso

Mangamangana ny ampitso ô ô!



Olombelo Ricky.2006

Partager tamin'izay andro izay

Commenter tamin'izay andro izay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ricky

Suite