4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Taratra - Ricky

Toy ny taratr’hazavana

’Zato endrikao misariaka

Ny fitsikinao mijery

Toy ny masoandro mibaliaka

Nampitsiry vetsom-po

Tsy mba ho haiko ho tantaraina

Manafana ny ao anatiko

Manodikodina ny loha

Maha lasalasa saina

Ka manjary nofinofiko.



Tsy mety ho afaka ao an-tsaiko ao

Lasa nofy.vita sary.

Tsy mba ho adinoko.ho lalaiko.

’Lay masonao mibaribary.

’Reo molotrao raha mitsiky

Masoandro vao maraina

Manazava ny tontoloko

Voninkazo tsara loko

Voleko an-jaridaina

Mba ho haingon’ny tanànako.



Miboiboika tsy tàna

Loharano tsy hay fefena

Mandresy lahatra avy hatrany

Tsy mba haiko noresena

Ny fitsirin’ny fitiavako

Ianao ve mahalàla.

Fa ny foko anie.

Efa babo tsy ankisala.

Efa babo tsy ankizara.

Efa babo tsy ankisala.



Ny mba tsy aritry ny saiko

Dia ny ho eo anilanao

Raha vao nanomboka ny andro

Nahafantarako anao

Tiako ho lazaina

Ho bitsihina aminao

Ny ao anatiko mangina



Tsy foiko raha ho Zaraina

Fa ho antsika sy ianao

Satria ianao no mba namako.



Na ny oram-pahavaratra.

Na merik’andro ’ty ririnina

Raha toa ka ho eo anilanao aho.

Dia ho foana tsy hisy ho inona

Fa lohataona lalandava

Diavolana mazava.



Fa ny amin-tsika anie.

Dia ho iray tsy ho rava.

Dia ho iray tsy ho rava.

Dia ho iray tsy ho rava.



Olombelona Ricky



Fano Rakotoarisoa

fano.rakotoarisoa@oreka.com

Serasera

Partager taratra

Commenter taratra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ricky

Suite