4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ze handeha - Ricky

Ilazana ireo olombelona rehetra,

Izay mbola mino ny fahamarinana sy ny fitiavana sy ny fihavanana,

Mba ho tonga haingana farany izay haingana,

Farany izay haingana indrindra e (2).



Tongava ianao mandalo,tongava raha mahatsiaro,

Tongava hoy aho mandalo,tongava raha mahatsiaro e



Tongava enao mandalo,tongava raha mahatsiaro(2)

Fa misy tany vaovao feno mpiantsa mpampadihy,

Mpibeko feno fitiavana,feno fanahy,feno mozika,

Maraina atoandro hariva.

Tsy misy mosary,tsy misy ady an-trano.

Ohatran’ny tsy eto ambonin’ny tany.

Andao ianao raha handeha,

Fitiavana no solon’ny billet.



Tongava ianao manadalo,tongava raha mahatsiaro(2)

ie, Andao ianao raha andeha,

Fitiavana ny solon’ny billet.

Izay mana-pitiavana dia afaka mandeha,

Ie koa maka hoy aho,

Izay hinonao o hoy aho

ooo eee



Tongava ianao mandalo,tongava raha mahatsiaro(2)

ie,andao ianao raha andeha

Fitiavana no solon’ny billet

Izay mana-pitiavana dia afaka mandeha

Miray aina,mitovy ahiahy,mitovy saina.

Izay mitondra fitiavana ihany no nasaina,

Hifanakalo kolontsaina e!



Fihavanana masina e,fitiavana masina e.

ie andao isika andeha,ny zavatra rehetra masina e



Isika rehetra ho tonga hazavana(4)

Ny zavatra rehetra hitondra hazavana(4)

Izy omeko ny hazavana dia izaho omeny ny hafanana

Izy omeko ny hafanana dia izaho omeny ny hazavana



Izy omeko ny hafanana,izaho omeny ny hazavana

Izy omeko ny hazavana,izaho omeny ny hafanana

Eny hoy aho andao ianao raha handeha

Andao ianao raha handeha



Izy omeko ny hazavana,izaho omeny ny hafanana

Izy omeko ny hafanana,izaho omeny ny hazavana

Fitiavana masina e,fihavanana masina e

Andao ianao raha andeha

Fitiavana no solon’ny saran-dalana e

Izay manam-pitiavana dia afaka mifampitantana iray lalana e

Andao ianao raha handeha e

Izay manam-pitiavana dia afaka mandeha

Izay no mitondra anao mankany amin’ny tanana

Feno fanahy,feno mozika,feno fitiavana,feno zava-kanto

Feno hira,feno mpandihy maraina, atoandro, hariva.

Tsy misy mosary,tsy misy ady an-trano

Ohatran’ny tsy eto ambonin’ny tany

Tsy mampino ny tsirony e e e hoy aho.

        Tonony sy feo Ny Olombelo Ricky.

         Mpihira mpanampy:Balita

Partager ze handeha

Commenter ze handeha

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ricky

Suite