4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mitandrema - ROLF

MITANDREMA








Raha mahita ialahy, olona tsara bika
Mahay mihetsika, maharomotra toy ny alika
Mitandrema ialahy, mitandrema ialahy
Tsy fingotra ny fiainana, mora tapaka



Hojerijereny ialahy, ho hitany fa tara
Homeny toky ialahy, dia mitsivalahara fa
Mitandrema ialahy, mitandrema ialahy
Fitaratra ny fiainana, mora vaky



Tsy fantatr’ialahy izy sy ny ditrany taloha
Omeny an’ialahy izy sy lozany koa moa ka
Mitandrema ialahy, mitandrema ialahy
Taratasy ny fiainana, mora rovitra



Izao ialahy izao, matahotra mipitrapitra
Maniry, mitalaho tsy hisompatra ilay ditra
Nahazo tsirony ialahy, nahazo nofiratsy koa
Ataovy anatra ireo maty rehetra voan’io fa
Mitandrema hoy aho tamin’ialahy
Ny fiainana mbola lava, sao dia tapaka, vaky na rovitra





ROLF

Partager mitandrema

Commenter mitandrema

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ROLF

Suite