Tononkira 268 - jesosy no mpiandry ny fiangonanay - Ffpm
				
				
				
					
        
        
            
            
            
            
        
        
    
					1.Jesosy no Mpiandry 
Ny fiangonanay;
Ny feon’Izy irery
No feo fantatray.
Ka tsy mba vala maro 
Ny fiangonanay;
Iray tsy hay zaraina,
Tapahin-Tompo iray.
2. Iray no vatolampy
‘Zay iorenanay,
Iray no Fehizoro
‘Zay ikambananay,
Iray no Mofon’aina
fihinanay ety,
Iray no antenaina
Ho azonay ary.
3.Tabain’ny hevi-diso
Kanefa mbola iray;
Ny saina tsy mitovy
Tsy mahazara anay;
Fisoko maromaro,
Kanefa vala iray;
Ny Tompo no mpiaro
Ny fiangonanay.
4. Ny teny samihafa,
Ny fomba tsy miray,
Tsy misy maharava
Ny fikambananay,
Ny fanenjehana aza
Vao mainka mampiray
Sy mahatsara laza
Ny fiangonanay.
5. Ry Jeso! Hatanjaho
Ny fiangonanao.
Ny fony halalaho
Mba hitoeranao;
Izay firaisan-tsaina
Miseho hatrety,
Velomy hanana aina
Hitohy hatrary.
				
 
				
					
				
				
		
				
				
					Partager 268 - jesosy no mpiandry ny fiangonanay
					 
					
				 
				
				
					
Commenter 268 - jesosy no mpiandry ny fiangonanay