Indray takariva sembatsemban-drahona,
Teroa ambinan’Itsilazaina ilay falehako
Ny lakan-kely iray natopatopan’ny alona,
Nikarenjy tanivon-drano tomorin’ny oram-baratra,
Nanezakezaka ny hamonjy tora-pasika.
Nalefako teny an-tanana ny fijeriko,
Indreo eo ny mpianakavy e sasa-miandry amorom-pasika
Ny vely lamako injao manakoako,
Fa ho avy hono i Lemena ô! hitondra trondro vaoavao,
Rahoviana ihany lahy no hiverina i Lemena.
Naveriko teny anivon-drano ny fijeriko,
Indry eny i Lemena, Lemena sy ny lakany,
Natsipitsipin’ny onja ka naniditsidina,
Nony farany nilentika e rendrika tsy tazana,
Nantsoina ka dobok’onja no nanoina.
Mba nanao ahoana ny tao an-tanana,
Indreo eo ny mpianakavy mbola miandry amorom-pasika
Ny vely lamako injao mbola manako,
Fa i Lemena kosa e efa lasa nialoha lalana,
Veloma madinidinika i Lemena ,
Masina fatempatenana i Lemena.