4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny fo - Mahaleo

Tsy ho alahelo no entinao mielo amin’ny oram-batravatra e

Na ho tanam-polo no entinao mijoro @ oram-batravatra e



Ity ny foko mamoha varavaravana

Ao anatiny ao, tsara hialokalofana



Tsy ho hetaheta no entinao misetra

Ny hain-be migaingaina e

Na ho tany mahamay no ho diavinao indray

Amin’ny haina be migaingaina e



Ity ny foko, mitondra alokaloka

Ao anatiny ao mamelombelon’aina



Mahery dia mahery ny onjan’ny fiainana (2)

Be ny olona very tsy mahita hitarainana

Na izany aza no manjo

Dia mbola manana ny toerany ny fo (3).



Tsy ho hakiviana no entina hamakiana

Ny alim-be maizi-kitroka e

Na ho fahatahorana no entina

Hisalorana, amin’ny alim-be maizin-kitroka e



Ity ny foko, mitsilo ny lalana

Ao anaty ao, misy jiro manazava



Tsy mba ho taraina no entinao miaina

Ny rivo-mahery mifofofofo e

Na ho fandosirana no entina hidovirana

Ny rivo-mahery mifofofofo e



Ity ny foko, manolotra tanana

Ao anatiny ao, misy azo hamaharana



Mahery dia mahery ny onjan’ny fiainana (2)

Be ny olona very tsy mahita hitarainana

Na izany aza no manjo

Dia mbola manana ny toerany ny fo (3).



Ity ny foko, ny fo midanadana

Mandrosoa ianao ka mandraisa toerana..

Partager ny fo

Commenter ny fo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite