TOMPO O ASEHOY ANAY NY RAY
REF: 	Tompo ô, asehoy anay ny Ray e!
Tompo ô, asehoy anay ny Ray e!
1-	Izao tontolo harin-tananao izao
Dia manambara fa tsisy toa Anao
Ka mendrika hiderana Anao ry Ray
Fa izahay ninia tsy nahatoky Anao 
2-	Nohariana hitovy endrika Aminao izahay
Hifankatia tsy hifanavakavaka
Mahery ny fankam-panahy ry Ray
Ka izahay ninia tsy nahalala Anao
3-	Nijoro ho andry hiankinanay Ianao
Raha toa ka tojo ny onjam-piainana
Nanolo-tànana anay Ianao
Fa izahay ninia tsy nifikitra Aminao
Volume I \" MIFANKATIAVA\"