fitiavana tsara rindra 
nampiray antsika roa 
nahitako mamy indrindra 
sy nitondra mangidy koa 
rivo mahery sy rano maria 
tsy maintsy andalovana ety 
tsaroana foana ilay fanekena 
hahazoana ny fandresena 
fihafiana, tsy fisiana 
fifaliana no hiafarana 
fanantenana tsy lany laniana 
nampisava ny aizina tao.
reo manodidina mamely hatrany 
tsy nahay nanova ny fo 
reo mpanatsatso manjohy aoka izany 
niala maina avokoa 
fihafiana, tsy fisiana 
fifaliana no hiafarana 
fanantenana tsy lany laniana 
nampisava ny aizina tao