4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vola - Poopy

Be mpitady raha ianao

Be mpitsiriritra koa ianao

Eran-tany ny lazanao

Tsy misy olona tsy mila anao



Misy moa aza andevozinao

Mirotoroto isan’andro izao

Miala maraina mitady anao

Mody ny hariva mbola an-doha ianao



Asa loatra re ny herinao

Fa manjaka amin’ny olona

Moramora re ny tiana hatao

Raha mitoetra tsy mandalo ianao



Azo izay ilaina raha eo ianao

Mety ny atao rehefa eo ianao

Misy moa aza ny manompo anao

Mololoha anao amin’ny fiainana



Eny tena ekena tsy misy hifanerena

Fa avo avo ihany lahy no misy anao

Manontany tena aho, he manontany tena

Hoe aiza amin’ny fiainana ny toeranao



Vola vola no anaranao

Mampanjakazaka izay hatao

Vola vola no iantsoana anao

Lanadanaka ny tsy ampy anao



Mivoha ho azy ny varavarana

Raha ianao no mialoha làlana

Asa hatraiza re ny vitanao

Ho tonganao ve any an-danitra

Partager vola

Commenter vola

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite