4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tohano mafy - Antsa an'i Kristy

Tazanao fa diso lalana aho

Nefa ianao tonga hanitsy ahy

Hitanao nihosom-potaka aho

Kanefa tompo ô ! nodiovinao

Tsapanao fa nilavo lefona aho

Nefa ianao no tonga hampitraka ahy

Hainao fa tena very aho

Kanefa tompo ô ! noraofinao



Tsapanao ny fahatezerako

Nefa ianao tonga hampifaly ahy

Hainao fa saika maty aho

Kanefa tompo ô ! novelominao

Isaorako ny RAY sy ZANAKA

Mbamin’ny FANAHY MASINA

Jesoa tsy tonga hiantso ny marina

Fa hanova ny mpanota hibebaka



Refrain :

Tohano mafy aho

Mba tsy hiova lalana

Ny finoana izay ananako

Mba tsy voasemban-drahona

Mandrakizay

Na mafy ny fitsapana

Mihatra amiko

Ny aina izay sisa ananako

No aza esorina amiko

Mandrakizay



Chœur :

Ny finoana izay hananao

Ny aina izay sisa ato amiko

No aza esorina mandrakizay

Partager tohano mafy

Commenter tohano mafy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsa an'i Kristy