4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Afafazo - ANTOKO MPIHIRA ORIMA SY TOMIMA

  Raha tonga ny andro izay

  Hitsarana anao

  Amin izay fotoana izay

  Hoadinina ianao



Ka hiatrika ilay mpanjakanao

Efa vonona ve ianao

Ary koa,efa ampy ve izay anananao

Hiatrehanao ny tompo-nao



   Fiatsarambelatsihy

   Aoka izay dieny ety

   Fahafaham-baraka ho anao

   Ka ialao

   Raha toa tianao

   Ho voavonjy ianao

   Afafazo izay fo mendrika,mendrika



Raha tonga ny andro izay

Hitsarana anao

Amin izay fotoana izay

Ho adinina  ianao

  

   Efa ampy ve izay nafafinao

   Mba ho fo mendrika tokoa

   Ary koa , efa totosa ve ny anjaranao

   Tsy hahameloka anao rahatrizay



Raha ho avy ny fotoana

Hodianao

Amim-boninahitra

Ho ao an-tranon-dray

Tsy hatahotra

Na hangovitra

Ianao raha madio fo

Ary koa ,satro-boninahitra tsy mba lo

No ho an ny mpanompo mahasoa

  

Partager afafazo

Commenter afafazo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ANTOKO MPIHIRA ORIMA SY TOMIMA