4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Afom-pitiavana - JEAN KELY sy BASTH

Matetika mantsy ireo tanora ê !

Manana eritreritra tsy satry

Handao hamoy ity tany

Izay feno fijaliana sy tomany

Mpifankatia efa vita fanekena

Ho lavina fa hoe manimba firenena

Mitadiava fa ny tiana anie ka tsy lany

Nefa tsy fantany ny ho valin’izany



          refrain

          ilay afom-pitiavana anie

          ka tsy maty vonoina

          mamono mandoro mandevona

          tsy mora mora ê !

          ireo mpifankatia voatery hisara-dia

          tsy rariny ê !



Indrindra ireo ray aman-dreny sasany

Manapaka mandidiy tsy maintsy totosaina

Raha mba fantatr’izireo mantsy re ny ho ngidiny

Ilay fanantenana ho rava tsy satry

Mpifankatia efa vita fanekena

Ho lavina fa hoe manimba firenena ê

Mitadiava fa ny tiana anie ka tsy lany

Nefa tsy fantany ny ho valin’izany



Refrain

          ilay afom-pitiavana anie

          ka tsy maty vonoina

          mamono mandoro mandevona

          tsy mora mora ê !

          ireo mpifankatia voatery hisara-dia

          tsy rariny ê !


Partager afom-pitiavana

Commenter afom-pitiavana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe JEAN KELY sy BASTH