4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aiza ianao - Yann

Teo ianao, nanaraka ahy mandrakariva

Niaritra ny mafy rehetra niainantsika.

Toky nomenao ahy, fa ny fitiavanao tsy ho ritra

Fa hitombo hatrany hahasambatra antsika.



                Nefa lasa ianao, tsy nilaza tamiko akory

                Izao anton’izao nandaozanao ahy izao.

                Ireny tantarantsika, tsy mba nisy sorisory

                Naleonao nanadino ireo voady natao.





        Ref: Mba lazao ahy izay tena misy anao

             Hankanesako ho any aminao.

             Hilazako izay rehetra ato am-poko ho anao

             Fa tsy haiko ny hiaina tsy eo akaikinao.

              Mba lazao ahy izay tena misy anao

              Fa mijaly aho, zatra anilanao.

              Mba ekeo re fa tena tia anao

              Mba raiso re, ty foko mitalaho.





                Izaho irery izao, miafy mangatsiaka

                Feno fahoriana tsy mba misy hianteherana.

                Very olon-tiana, very fanantenana

                Tototra alahelo ranomaso tsy ferana.



              Ref.          

                          

                                        Ian A.Rabenasolo

Partager aiza ianao

Commenter aiza ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Yann