4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aiza ny hazavana - Ny Mpitory

Aiza ny hazavana

Fa tsy hita izay ombana

Maizina ety, maizina ety

Ry Tompo ô! Mandreraka ny dia



Dia mitebiteby foana

Tsy mazava eo anoloana

Tompo ô! Tsitoha Tompo ô! Tsitoha

Fa mila efa horeraka ny fo.



Sento indray miserana ihany

Izany novetsoiko izany

Fa ao Jesoa mitantana

Mandrakizay



Tompo ô! Ialako dieny izao

Saina mora kivy mitalaho

Tompo ô! ampio, Tompo ô! ampio

Fa hialako io toetra ratsiko io



Izaho fahazavana hoy Ianao

Hanazava izao tontolo izao

Tsy maizina aho, sy maizina aho

Fa maso efa iniana akipy angaha



Sento...



T/F: Dr Andriamiadamahatratra Miharilaza

Partager aiza ny hazavana

Commenter aiza ny hazavana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Mpitory