4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Akaiky mpamonjy - FANASINA

                                              AKAIKY MPAMONJY



Raha tojo ady mafy aho dia izao no tsaroako hoe : Akaiky Mpamonjy aho

x 2      Raha tondraka ny rano dia tsy maintsy ho tafita aho f’akaiky Mpamonjy aho

           Hoesorina ny aiko fa izaho tsy hamaly, ho sasa-poana ireo ‘zay te hampijaly

           Na alefa an’ady aho, tsy ahoako satria ‘zao: akaiky Mpamonjy aho



Ny tanany mitsotra mba hamonjy aho foana

Raha tojo olana sy fakam-panahy

Manambitamby ahy raha misy fotoana

Malahelo ka mitomany aho



Na dia mamaky lohasaha maizina aza aho

Dia tsy hatahotra ireo fahavalo ao

Fa isan’andro dia fantatro fa akaiky Mpamonjy aho





Raha tojo ady mafy aho dia izao no tsaroako hoe : Akaiky Mpamonjy aho

x 2      Raha tondraka ny rano dia tsy maintsy ho tafita aho f’akaiky Mpamonjy aho

           Hoesorina ny aiko fa izaho tsy hamaly, ho sasa-poana ireo ‘zay te hampijaly

           Na alefa an’ady aho, tsy ahoako satria ‘zao: akaiky Mpamonjy aho





Nikombom-bava tsy namely ahy ny liona

Raha nalefa tao an-davaka aho

Tsy nanan-kery tamiko ny lafaoro

Na dia nafanaina im-pito aza aho



Dia gagagaga ireo nikasa ny hamono ahy

Raha nahita ireo fahagagana

Ka resy lahatra sy nilaza fa: akaiky Mpamonjy aho



                Raha tojo ady mafy aho dia izao no tsaroako hoe : Akaiky Mpamonjy aho

x 2      Raha tondraka ny rano dia tsy maintsy ho tafita aho f’akaiky Mpamonjy aho

           Hoesorina ny aiko fa izaho tsy hamaly, ho sasa-poana ireo ‘zay te hampijaly

           Na alefa an’ady aho, tsy ahoako satria ‘zao: akaiky Mpamonjy aho



Na alefa an’ady aho, tsy ahoako satria ‘zao: akaiky Mpamonjy aho









                                                        FANASINA

Partager akaiky mpamonjy

Commenter akaiky mpamonjy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FANASINA