4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aleoko irery - ALOMA

Raha atao indray mijery

dia toa sambatra avokoa

oharina amin’ny olon-drery

izay rehetra miara-droa,

nefa nony injay zahana

ny tsy hita ambadika any

dia akory ny hagagana

f’hay mba misy tsiny ihany

  Hany ka aleoko aloha irery

  Irery ihany irery foana

  tsy misy mpijery

  Irery ihany irery foana

Adin-tsaina amam-panahy

lasa hasarotam-piaro

tahotra sy ahiahy

ary nofy ratsy maro

izany no indray mitambatra

ka miandany mankahia

tsy mamela mba ho sambatra

ireo izay mifankatia

  Hany ka aleoko aloha irery

  Irery ihany irery foana

  tsy misy mpijery

  Irery ihany irery foana

Raha atao lalan’ny tany

izany hoe tsy maintsy tia

dia aleoko aleoko ihany

mba miadana ny dia

izaho mantsy tsy dia maika

hahita olona ho tiaviko

tiako koa ho maty paika

ny ampitso sy ny ho aviko

  Hany ka aleoko aloha irery

  Irery ihany irery foana

  tsy misy mpijery

  Irery ihany irery foana

  Irery ihany irery foana

  Irery ihany irery foana


Partager aleoko irery

Commenter aleoko irery

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ALOMA