4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Andriamanitra tsy mandao - A.M.A.F



Ry mpanota ô tsarovy f’Andriamanitra tsy mandao

Andriamanitra tsy mandao e ! Tsy mandao anao

Fa ianao no maniasia, Mandeha mizotra miankavia

Fa Andriamanitra tsy mandao e ! Tsy mandao anao

Fa ianao no mamilafila sady mitady ho toa tsy mila Azy

Fa Izy dia tsy mandao e ! Tsy mandao anao



Fa raha nanafatra anao Izy ka niteny manao hoe :

" Lalan-kely arahina Fa aza mizotra amin’ny lalam-be ! "

Tsy nino an’izany ianao, Fa io hoy ianao no hita fa tena tsara

Nefa io izoranao io e, any an-davaka no miafara



Fa raha naniraka anao Izy ka niteny manao hoe :

" Mitoria ny Filazan-tsara Ho ren’ny olona marobe ! "

Ianao tsy nitory fa natahotra ny hifandona amin’i losifera

Tsy mba nanana Finoana fa vao voadona dia efa nianjera



Fiv farany :

Ry sakaiza ô tsarovy fa ny Tompo dia tsy mandao

Fa ny Tompo dia tsy mandao e ! Tsy mandao anao

Fa ianao no maningatsingana, Sasa-miarina fa voafingana

Fa Izy dia tsy mandao e ! Tsy mandao anao

Fa ianao tia ny mialangalana, Te hiverina antsa-dalana

Fa Izy dia tsy mandao e ! Tsy mandao anao


Partager andriamanitra tsy mandao

Commenter andriamanitra tsy mandao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe A.M.A.F