4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Harena sy fananako - A.M.A.F

Ianao Jeso no manasitrana ahy,

Ka tsy hanafenako ny aretiko

Ny indrafonao tsy hay faritana,

No manamaivana ny zioga entiko

Ianao ilay nihombo teo Kalvary,

No anankinako ny fiainako

Ianao mahita ny adin-tsaiko ety,

No antenaiko hampody ny marainako



Tsy avelako Ianao Jesosy ô !

Raha tsy mandray ny tanako

Ka idongiako tsotra izao

Ho HARENA SY FANANAKO

Mba manana an’iza moa aho ?

Fa Ianao no Tokiko !

Matoa miantoraka Aminao

Ry Raiko sady Zokiko



Inty aho Jeso raha toa ka sitrakao,

Miaraka amin’ny halotoako

Manolo-tena ho diovinao,

Manorina Aminao ny finoako

Na toa ny voatsinampy bitika,

Ka avelanao hiantefa ao am-po

Ny sombin-dranao mba mipitika,

Izay dia efa ampy hanadiovana ahy tokoa



Tsy avelako Ianao Jesosy ô !



Ny fahotan’izay mangeja ahy,

Ka toa mampisaraka ahy Aminao

Dia ivalozako eto anio ry Ray,

Mba ahazoako ny fiainan-baovao

Koa hamasino ho mendrika Anao,

Mba ho voninahitrao ry Ray Tsitoha

Izao fanoloran-tenako izao,

Ampio hahay hifikitra Aminao tokoa



Tsy avelako Ianao Jesosy ô !

Partager harena sy fananako

Commenter harena sy fananako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe A.M.A.F