4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hatanorana - A.M.A.F

Ny voninkazo fanao amboara

No sarintsarin’ny hatanorana

Avelao izy hivelatra tsara e !

Raha mifaly izy aza rarana

Kanto ny felany tsara ny taho

Mamerovero sy manitra

Fa ny tsy mamitaka hatramin’izao

"Ny tenin’Andriamanitra"



Koa mifalia ry zandry malala

Araraoty ny hatanorana

Nefa aoka tsy hihoatry ny vala e !

Mba irio ny ho ara-dalàna

Maro ireo anatra mety ho renao

Samy toa ohatran’ny marina

Fa ny tsy mamitaka hatramin’izao

"Ny tenin’Andriamanitra"

Partager hatanorana

Commenter hatanorana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe A.M.A.F