4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho inonao - A.M.A.F

Ho inonao ny hetraketrak’ity tany ity

Raha mbola hoe ny Ray no miady ho anao

Ianao hangina miandrandrà dia matokia

Ho hitanao ilay fiainam-baovao

   Ny mangina fanao vosibositra

   No mahita ny tavan’ny Ray

   Fo maratra manao tari-dositra

   Handova fiainana mandrakizay

Fa toy ny ranon’andon’ny maraina

Ny fandeferanao mangina ao am-po

Tsy oram-be mikija anefa misy aina miboiboika loharanon-tsoa

    Ao anaty mangina lalina

    No hitenenan’i Tompo aminao

    Ho inonao ny haizim-piton’ny alina

    Ny hazavan’ny Ray hitosak’aminao

Partager ho inonao

Commenter ho inonao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe A.M.A.F