4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ianao no raiko - A.M.A.F

Ianao no Raiko loharanom-pamonjena

Ianao lazaiko fanovozam-pahendrena

Reraka ny aiko tsy avelanao hivena

E,e, Ianao no tena Raiko manana ilay fo onena



Ny fiakarana mideza, ny adim-piainana mafaitra

Tsy misy avelanao hateza, tsy misy ataonao tsy          ho laitra

Vao maika koa tafionao aina, fanahy mahery sy finoana

Ianao mampody ny taraina, ho risi-po tsy mba midona

Na inona midona, eny hozakaiko,

Fa Ianao no Raiko



Iny aho nivily fa mba tia hizaka tena

Dia nandao Anao RAy tsy nanaiky hofefena

Trotraky ny ditra aho eny miaiky ny faharesena

E,e, mbola Ianao ry raiko nisahirana nitsena






Partager ianao no raiko

Commenter ianao no raiko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe A.M.A.F