4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Indro ny famonjena - A.M.A.F

Indro

Indro ny famonjena

Te-hibalika eto amintsika

Hiahy ny firenena

Zovy ?

Zovy no tsy handre

Ny teny tsara

Izay manambara

Fitiavan-dehibe



Indro miposaka eto izao ny mazava

’Lay haizim-be taloha indro fa nisava

Ampy mizara izany tarany

Ka isam-baravarana samy hahazo ny anjarany



Jeso nanetry tena

Tonga hisolo voina

Sy mba ho famonjena

Ireo mody tsy nanoina

Ho anao no nihaviany

Hisolo ny helokao

Hitoetra eo aminao no iriny

Ho manda aronao



Fitiavan-tsy vidina

Na hoe sandana vola

Kanefa nandaniana

Fitia tsy mety tola

Ny Lahitokanay aza

Nataony sorona

Ka ia nahoana no tsy mandray

Ianao tolorana ?

------



(Santos Production - OMDA - AMAF Production 1998)

A.M.A.F. na ANTOKO MPIHIRA ANDRAVOAHANGY FIVAVAHANA.

Ny mpamoron-kira izay anisan’ny mpitarika ny antoko mpihira, dia mitondra ny anaranà artista hoe JORDAN

Partager indro ny famonjena

Commenter indro ny famonjena

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe A.M.A.F