4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mangetaheta anao - A.M.A.F

Nofo karankaina, mangetaheta fatratra Anao ô ! ô

No indro mitaraina

Ianao ’lay andon’ny maraina vaovao tsy mba mety ritra

Ianao manondraka ny tany hay

’Ty foko maina sy mitriatra

Mangetaheta fatratra Anao Ray



’Zao rehetra izao, manora-tena ho fatratra avokoa

Manefitr’ahy aminao

Mamilivily saina sy ny fo

Izaho tsy manan-kery, tsy mahalia lalana aho ry Ray

Koa aza avelanao irery

Miatrika ireo ady mahamay



Andrasako eto ny fotoana hiavianao

Ho avy Ianao finoako lalina ao am-poko izany

Nefa aza ela loatra fa mijaly indrindra aho

Mangetaheta Anao ity foko sasa-mitomany



                                                                Jordan


Partager mangetaheta anao

Commenter mangetaheta anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe A.M.A.F