4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mila anao - A.M.A.F

Mielina vetivety ny ety

Tsy misy atao haharitra akory

Ianao Jesoa no nilaza izany

Fony Ianao mbola tety an-tany

Handalo ho foana tsikelikely

Izao zavatra rehetra hita izao

Tsy tantara na angano velively

Jereo ny manodidina anao

   Tsy misy izay mba azo ifaharana

   Ho foana avokoa izay nisasarana

   Meteza Ianao Jesoa hitantan’ahy

   Mila Anao aho mba ho toky hitari-dalan’ahy

Ianao Jesoa no tsy mba miova

Omaly anio ary ho mandrakizay

Manan-jara ary koa manan-dova

Izay rehetra mahatoky Anao

  Tsy misy izay mba azo ifaharana...

Partager mila anao

Commenter mila anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe A.M.A.F