4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miverena - A.M.A.F

Miverena, miverena

O, ry ondry izay mania lasan-davitra e !

Nefa anio modia, miverena ry ondry mania

  Misy toerana tsara voatra

  Ao an-dapan-dRay tsara loatra

  Izay nomaniny ho vantaninao

  Raha hiverina hody ianao

Mitsahara, mitsahara ry mavesatr’entana ô !

Miasa fatratra, tera-dinitra

Miady irery amin’ny fiainana

  Manatona anio, hotrotroiny

  Ny hazakazakao hosoloiny

  Fiadanam-po, fiainam-baovao

  Raha hiverina hody ianao

Mifohaza, mifohaza, resin-tory lalina

F’efa tonga izao ny mazava

Ora fifohazana

  Io ny tanany fa mitsotra

  Izy hitantana anao hizotra

  Ho eo an-dalam-pahasambarana

  Hanome fitsaharana

Partager miverena

Commenter miverena

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe A.M.A.F