4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy avelan'andriamanitra - A.M.A.F

Tsy avelan’Andriamanitra hiraviravy tànana tanteraka,

Ireo zanany miady saina mila ho reraka;

Tsy avelany hamoy fo tafiny herin-tsaina hahazaka,

Ka na inona manjo dia tohanany hitraka.



  Ref:

  Efa mba nisy ve, hatramin’ny elabe masoandro nody takariva

  Ka tsy niverina mba hanazava indray ’lay maraina

  Tsy mba drafitr’Andriamanitra ny fahoriana tsy azo laizina

  Hahitany ireo voahariny ho farahidiny amin’ny maizina

  Ny ranomaso sy tomany

  Na dia mirotsaka aza tsy mateza fa fafany.



Raha tsaroana ho mikija ny ranon’oram-be mivatravatra,

Mibosesika ny alahelo tsy omby tratra;

Tsapanao ho mielina ny hafaliana sy ny andro tsara,

Lasalasa ny vinany  fa toa mivilana ny zara.

Partager tsy avelan'andriamanitra

Commenter tsy avelan'andriamanitra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe A.M.A.F