4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Toa tsy ho andriko - ACCORD

TOA TSY HO ANDRIKO



Toa tsy ho andriko, zay mety ahitako anao indray

K’ireo masonao ankiroa, hibanjina hijery ahy

Mba rahoviana tokoa, ilay andro faharoa

Fa hatrizay nahitako anao dia tsapako fa tena tia aho.



Ref

          Ka rahoviana indray akia ry malala ô

          Fa tena tretrika loatra aho,

          Tsy andriko intsony izy ity,

          Fa ho any aho ho any aho hitady anao.



Izaho anie ka tena mba tia,

Fa saingy tsy nambarako an-dry,

Matahotra aho mafy aho satria,

Mbola ianao ilay voaloham-pitia

Tsy ho haiko ny tsy hilaza aminao,

Na koa hoe hiafy amin’izao

Fa ny fitia anie ry malala ô,

Dia mankahia sy mahalasa adala



Ref x 2

         ...

         ...



Ka raiso re ny fitiavako anao,

(ka raiso re ny fitiavako anao)

ka raiso re ny fitiavako anao

(f’izaho efa vonona hampiadana anao)

F’izaho efa vonona hampiadana anao)

(ka raiso re!)

F’izaho efa vonona hampiadana anao



ACCORD

Partager toa tsy ho andriko

Commenter toa tsy ho andriko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ACCORD