Fifaliana sy firavoana ny antsika eto anio
fa eto ny Tompo Mpanjaka
andao e hihira hihoby koa handihy e
fa eto ny mpamonjy antsika
Ireo izay mitady fahasambarana
midera an’i Iehovah ianao
aza ketraka
derao amin’ny herinao
aza reraka
Fiderana makotrokotroka
no hiraina androany e
ireo olom-boafidin’Andriamanitra
no hiredona izany e
Dera sy laza ary voninahitra
ho an’Andriamanitra
ary fiadanana ho an’ny olona
izay ankasitrahany