4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aiza ho aiza - Alson

aiza ho aiza re no ahitako olona iray
ahasolo toeranao
toerana lazaina fa tsisy ahasolo nefa dia
voatery hitady izao noho ianao
zary nofy ilay fitia mamy sy efa nomenao ahy
ilay nofy saingy fery tsy ahy fafana ao anatiko ao
izany voninahitra izay hiravaka ny anaranao
indrisy anefa ianao efa namorona vaovao
mbola zaza moa ny tena, tsy ahy izay lalana ho aleha
izay rehetra ita eny
mijanona aza mandeha
navadiky ny andro
navadiky ny taona
tsy hita teo foana ny endrikao
tapitra hatreo ny momba ahy,
ny momba anao
asandratro ny feo raha tsy eo ianao


ref: aiza ho aiza re
ny lalana tokony aleha
hitadiavako ahasolo anao anie X2
ahitako hasambarana

any ho any ve mbola misy
toerana iray ahitako ny anjara ho ahy
de hanaiky hanaja tanteraka izy
ka dia faty no hisarahanay
ka tsy ho nofy fa fitia mamy sy izay nomeny ahy
toy ilay nofy izay mitoetra tsy ahy fafana ao anatiko ao

de ho avaliko amizay ny tantarako taloha
za tsy hoe adala , ianao no ataoko ampiasa loha
ka hanenjika anao ilay nenina izay vita
avela avy eo ianao, tsy anjara ko ny antsika roa
navadiky ny andro
navadiky ny taona
tsy hita teo foana ny endrikao
tapitra hatreo ny momba ahy,
ny momba anao
asandratro ny feo raha tsy eo ianao

ref: aiza ho aiza re
ny lalana tokony aleha
hitadiavako ahasolo anao anie X2
ahitako hasambarana

aiza ho aiza
aiza ho aiza
aiza ho aiza

aiza ho aiza
aiza ho aiza
aiza ho aiza

aiza ho aiza

#Andrianina Rasolomanana

Partager aiza ho aiza

Commenter aiza ho aiza

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Alson