4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Havaoziko ny eny - Ambondrona

Na dia fantatro aza fa
Efa any aminao any
Ity fitia nolalaina nifampizarana

Dia…

Indro hamafisiko indray
Ho an’ny ampitso, rahatrizay
Hamoa izay novolena, ho koloina ny efa nekena

Tsy an-tery ny ahy fa feo sy bitsiky ny fo
Hanome aina indray, hamoha ny soa taloha

Havaoziko ny ‘’ENY’’, izay notànako
Hanampiako ny teny, ef’iny ny foko
Nomeko mangina, aharitra hatrany
Fitia : ‘’nifaliana, ndraindray tomany’’

Izay vita no tantara
Fa ny ahy iriko tsy hisy fara
Fa mbola hitohy, tsy hifankafohy

Dia…

Toa ireny vao niandoha
Isan’andro isan’ora
No hanehoko fitia, na maraina na ny hariva

Manina foana malahelo, te hifanila hatrany
tsy hangatsiaka irery hilaozan’hafanana

Notànako ny teny, ny foko efa nomeko
…Havaoziko ny ‘’ENY’’

Partager havaoziko ny eny

Commenter havaoziko ny eny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ambondrona

Suite