4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mankasitraka aho - Ambondrona

Bangoiko iray izay lalantsika hatrizay
Manerika aho, hafahako mandroso indray
Raiketiko fotoana maro
Izay lasa tany aloha tany
Na fifaliana, na fihafiana
Dia tsy hanan-tsiny

Bridge: Tsy nisalasala eny aho
Naneho izay tao am-po tao
Ka niaraka nanohy ny dia hoe hifankatia
Ary ho doria

Ref: Mankasitraka aho, isaorako ianao
Tsy mba mahay miteny aho
Ny foko no hameno
Ary am-panetre-tena
Mankasitraka aho

Mifanolotra fitia
mamakivaky ny ho avy isika
Na zavona sy fanala, masoandro sy hafanana
Ho eo ihany

Bridge: ......

Ref: ......
Ho valim-pitia, ity hira ity ieh!
Ho takatry ny saina, hanehoako kokoa
Izay mba fihetseham-po
Mankasitraka aho

Partager mankasitraka aho

Commenter mankasitraka aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ambondrona

Suite