4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Trotraka - Antsa an'i Kristy

Trotraky ny hadalana nangeja ahy
Trotraky ny hajambana hatram’ izay
Voafitaky ny rendrarendra sy tara fanoloran-tena

Nanompo anaram-piangonana
Trotraka ny renireny anilan’ny soa
Trotraka nanenjika ahy ’reo zava-tsoa
Noheveriko fa maha-tsara ny rendran-tany izay nambara

Ka mba nitaoman’ireo namako aho
Trotraka, reraka aho
Saingy tsisy mahasolo
Vonona hiverina aho raha raisin’i Jesosy Soa

Ndeha isika hifandray tanana
Aoka izay ireo sandim-pihavanana fo madio no entina hanompo azy

Tsy trotraka ny hijaly mafy ho anao sy ho ahy
Tsy trotraky nisolo vaika ny helokay
Satria tokoa, hoy Ianao, ny zanako sy ny asa- tanako

Dia aoka ho adidiko anie
Tsy trotraky ny hanamafy fitiavana
Tsy trotraky ny hanambara ny hatsarany
Ny fiainana an-danitra any, ho lova soan’izay tia Azy
Sy izay manaja koa ny didiny

O ry mpino namako o mba mifohaza izao
Miandry antsika an-tanan-droa ilay Jeso Fitiavana

Tsy sasatra manambitamby anao
Mila fihavanana avy Aminao
Fa izaho sy ianao mamilafila azy
Fiainan-tsambatra ao tananany

Ho an’ireo izay mety ho eo an-dalany
'zao sy ianao no mampiandry Azy
Saingy izaho sy ianao no te-hampiandry Azy.

Partager trotraka

Commenter trotraka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsa an'i Kristy

Suite