4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Maria mora fo - Antsan'ny Zavaboary

1- Tsy hongononina fa ho hiraina

    Hatrany am-paravazan-tany

    Hazoto foana, tsy halaina

    Hihoby anao hatrany hatrany



Ref : Ry Maria mora fo ô

Reny maminay tokoa

Tantanonao e, ny dianay

Aza avelanao hangahiahy



2- Ianao tokoa 'lay tsy mba mandao

    'Lay tsy mamela anay hatrany

    Ny anara-masina ô ô, ry Maria ô

    No asandratray ho avo



3- Tohano mafy mba tsy ho solafaka

    Trotroy am-bavaka izahay e

    Hatoky anao ô ô, ry Maria ô

    Hatramin'izay ka hatramin'izao

Partager maria mora fo

Commenter maria mora fo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsan'ny Zavaboary