4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho avy tsy ho ela - AVM

Ho avy tsy ho ela (in-8)



Na mandona ny kotroka, na mitraho mandrahona mainty

Mbola ho avy aho hamangy anao

Na ho erika mankarary an-doha na orana mikija

Mbola ho avy aho hamangy anao.



Fa tsy misy hahasakana ahy

Raha ny eritreritro foana no mitondra

Tanterahiko ihany

Fa manina anao (in-3)



Na migaina aza ny masoandro, na midanika ny hafanana

Tsy maintsy ho any aho raha tiako izany

Na mangoly sy mamirifiry aza ny hatsiakan’ny ririnina

Tsy maintsy ho any aho raha tiako izany.



Fa tsy misy hahasakana ahy ... (in-2)



Ho avy tsy ho ela fa malahelo anao (in-4)

Ho avy tsy ho ela (in-8)



Na hodiaviko tongotra aza avy eto mankany Paris

Tongako ihany any raha any ianao

Na holakaniko aza hatrany Etazonia

Tongako ihany any raha any ianao



Fa tsy misy hahasakana ahy ... (in-2)



Ho avy tsy ho ela fa malahelo anao (in-4)



Fa tsy misy hahasakana ahy ... (in-2)



Fa manina anao ...

Partager ho avy tsy ho ela

Commenter ho avy tsy ho ela

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AVM