4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hira fiderana - AZOTA

Hira fiderana no anay

atolotro ho anao ry Ray

fa na dia mpanota aza izahay

ianao tsy hanary anay



Be tokoa ny anaranao

matoa izahay midera anao

fa ianao ihany no mendrika

deraina eto an-tany



Ry Tompo ô henoy ny teniko

fa fantatrao ny eritreritro

ka henoy ny feo fitarainako

fa ianao no mametraka ny andro iainako



Aza ny hatezeranao

no hananarana ahy

ary aza ny fahaviniranao

no hanamaizana ahy

ka mamindra fo amiko

ianao, ry Ray



Réf/..

Partager hira fiderana

Commenter hira fiderana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AZOTA