4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Bitsika - RAZAFIMAHATRATRA RENE

Te hanontany anao aho
Ry olona iny
Te hibitsika fitia ny ato antratrako
aza heverinao adàla aho
raha namboraka izany
fa fitia te hifampomba hatrany hatrany
tsy hasandako vola
tsy hasandako harena
satria ny fitia
tolotr’anjara nomena ho ahy sy ianao
ho doria
ka ny foko ato anaty
ho atolotro ho anao
mandra-maty toa lamban’akoho aina no fetra
fa na dia miteny @ fitenin’ny olona
sy ny anjely aza aho
kanefa tsy manam-pitiavana
dia tsoriko aminao
zava-poana e
zava-pona e
zava-pona e
satria izaho sy ianao
olombelona mitafy nofo ihany
olombelona mety tsontsa ihany...

Partager bitsika

Commenter bitsika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RAZAFIMAHATRATRA RENE