4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hifaliako - Bismak

Any ho any, misy ihany, saingy hafa tsy ohatran’ny anao.

ekeko ihany, satria ianao tsy hanaiky hiaraka amiko.

efa sasatra aho, ny miandry, izay mba teninao tsy ho avy.

aleoko ihany, manaraka azy, toa izay hiandry anao eo.

sady enao koa, efa fantatro, tsy hitady ahy ...



hifaliako izay tonga eo, fa raha ianao, tsy antenaiko.

mampiandry, mampijaly, izao efa nihafy, nivonona, ho anao

Izay mba tiako, tsy miseho, fa ny hafa izay tsy nantenaiko

izy indray no mampifaly tsy mba mampiandry,

fa vonona ho ahy



Na tsy avy aminao aza, dia ho raisiko ihany, efa izay koa angamba no anjara.

hohadinoko izay momba anao ka, aleo hivalona ny tantara.

sady izaho koa, tsy mba afaka, ny hahitanao ...



Hifaliako izay tonga eo, fa raha ianao, tsy antenaiko.

mampiandry, mampijaly, izao efa nihafy, nivonona, ho anao

Izay mba tiako, tsy miseho, fa ny hafa izay tsy nantenaiko

izy indray no mampifaly tsy mba mampiandry,

fa vonona ho ahy



Izay mba tiako tsy hiseho, Izay mba tiako tsy hiseho

Izay mba tiako tsy hiseho ...

Izay mba tiako tsy hiseho, Izay mba tiako tsy hiseho

Izay mba tiako tsy hiseho ...

Izay mba tiako tsy hiseho, Izay mba tiako tsy hiseho

Izay mba tiako tsy hiseho ...

Partager hifaliako

Commenter hifaliako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bismak