4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Cantate domino - Antoko Mpihira EZRAHITA

(Ity dia hira Klasika anisan’ny Malaza

Hita ao amin’ny K7 vol. 1 an’ny Antoko Mpihira EZRAHITA)



Mihobia ho an’i Jehovah

Ry tany rehetra

Velomy ny hoby ka mihirà



Mankalazà an’i Jehovah

Dia amin’ny lokanga

Sy ny feo fihirana



Dia amin’ny trompetra

Sy ny fitsofana ny anjomara



Ka mihobia eo anatrehan’i Jehovah

Jehovah Mpanjaka



Aoka hirohondrohona ny ranomasina

Sy izay rehetra eo aminy

Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy

Mihobia an’i Jehovah Mpanjaka



Aoka hiteha-tanana ny riaka

Aoka hiara-hihoby koa ny tendrombohitra

Anatrehan’i Jehovah

Hitsara ny tany izy

Hitsara izao rehetra izao amin’ny fahamarinana izy

Hitsara amin’ny fahitsiana.



(Dr Rakotomananjanahary Hare Pare)

Partager cantate domino

Commenter cantate domino

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antoko Mpihira EZRAHITA