4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Oram-pahavaratra - CARSON

Midona ny any Ankaratra

Manako any Ilavitra any

Fa oram-pahavaratra ô

No namonto izany tany

Ny masoko kosa

Vonton-dranomaso

Alahelo no miavosa ô

Vokatry ny ankaso



Ralala ô ralala ô faingana re ianao

Aza mody tsy mahalala ô, izao fahoriako izao e!

Ny ankizy eto mitomany tsy vitako izaho irery

fa ny fiainana eto an-tany firaisana no hery!

fa oram-pahavaratra

No mikija sesilany

ka ilay volana tomaratra

dia indro fa takona any ô

Ralala miverena

fa ifonako ny efa vita

Ny foko izay manantena ô!

Aza odian-tsy hita



Ralala ô ralala

Henoy ny fitarainana

Fa mahalasa adala

Ny adim-piainana e!

Ralala o ralala

mafy ny fihafiana

Ka aza misalasala

modia re ry tiana

Fa oram-pahavaratra

no mikija sesilany

ka ilay volana tomaratra

dia indro fa takona any

Ralala ô faingana

ny hasosorana aoka izay

Modia amin’ny tanàna

Fa hiaraka indray (2)

Partager oram-pahavaratra

Commenter oram-pahavaratra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe CARSON