4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miandry anao ny tompo - CVSN(Chorale Vaovao Sabotsy Namehana

1) Moa mba fantatrao fa miandry anao ny Tomponao,
andro aman’alina.
Tsy mba sasatry ny mitomany Izy,
fa tsy mahafoy ny zanany.

Ianao mihevitra fa adinony : tsy adinony !
Ny masony mijery anao mandeha.
Ny teniny manafatra hoe :

2) Hatrizay ka hatramin’izay
nandaozanao tsy miova ny Fitiavany.
Ka aza miandry ampitso ampitso
sao tsy ho tratranao ilay ora farany.

Efa voafidy ianao ho olony : ho olony !
Nahoana indray no toa mihemotra
Tsy aleonao ve miankina amin-dRay.

Willy Rakotoarisoa

Partager miandry anao ny tompo

Commenter miandry anao ny tompo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe CVSN(Chorale Vaovao Sabotsy Namehana