4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Didier sy marc - Hamy

DIDIER SY MARC



Didier! Didier! Manao ahoana ianao izay?

Didier! Didier! Mbola velona ve?

Sa efa lanin’ny kalalao!

Hay! Hay moa! hay tokoa!

Mbola maro ao Paris ao, ireo boto sy zandrinao.

Izay tsy sasatry, ny manompo anao...



Didier! Didier! ràzana ve vao hody?

Didier! Didier! Mbola anao " retour " ve?

Sa efa trotraka sy lany atody !

Mbola maro anie, ireo te anao “ Oie oie! ”

Laingako izany fa sao, miverina eo marina ianao.

Ny aty mantsy efa nandao, sao diso fanantenana ianao...



Didier! Didier! Manao ahoana ao Paris?

Didier! Didier! Moa ve milay?

Ny manao “ la vie ” ao Neuilly?

I Marc ve no mihanahana? I Marc ve no tsy ampy " pouvoir " ?

Hampodiana an’ialahy, hak’aina aty @ ’Gasikara.

Anatanterahina amin’izay, ilay ampamoaka tsy hitanay...



Marc ô! Marc a! Marina fa tokony...

Marc ô! Marc a! Fongarana,

Ny fahantrana.

Izany akory tsy midika hoe :

Amidy aminy amerikan’ hoa!

Na amin’ny rainy-boto koa, I Madagasikara soa...



Koto ô! Soa ! tsy lahatra ny fahabadoana!

Bozy ô! Doda a! Raha mahia ianao,

Tsy an’ny kankana ny adisoana...

Fa nalahatry ny mpanjànaka,

Ny fahantrana sy ny akamoana.

Sy nararaotin’ny mahitahita,

Ny fialan-tsasatrao tsy mety vita.

Partager didier sy marc

Commenter didier sy marc

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hamy