4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Didy vaovao - A.M.A.F

Indro didy ankiray zay napetraky ny Tompo

Ho antsika rehetra izay mbola velona

dia ny mba hifankatiavan-tsika tsara

tahaka izay nitiavany antsika

F’ izany tokoa no hafantarana

Fa mpianany isika raha mifankatia

Eny, mpianany isika mpianany tokoa

Amin ’ny androntsika rehetra



     Iza tokoa no manana fitiavana dia ny fitiavan’ i Jesosy

     Mba hanavotana ireo sakaiza nikasa nanolotra ny ainy

     Iza tokoa, ô Iza re izany ô!

     Iza tokoa no mba nahavita izany

     Fa ao ny Tompo hanaisotra ny fahotany



Zay no didy napetrany ho antsika

Ho antsika rehetra valona eto

Ary aoka ny fo hahay hifamela

F’ izany tokoa no mpianatry ny Tompo

Fa izy dia momba izay matoky azy

Amin’ ny androny sisa rehetra

Partager didy vaovao

Commenter didy vaovao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe A.M.A.F