4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Dieny izao - POOPY

Ny tahotra ny Tompo Andriamanitra
No fiatombohampahendrena maharitra
Ny tenin'olon-kendry dia voalanjany
Ny adala no tsy andanja izay ambarany

Izay rehetra mino an'Andriamanitra
Dia mahalala tsara izay voafaritra
Fa mila mahafantatra ny Teniny
Mba tsy ho diso lalana hania

Fa tsy misy very izay rehetra mandeha
Raha amin'iny lalana mahitsy iny anie
Koa dieny izao raha mbola velona tsy tara ianao
Miandry anao ny Tompo tia

Toa lasa mahavariana mahatalanjona ery
Ny zava-bitantsika ety an-tany ety
Fa ilay afandolavan'i Kristy tety
Toa zary adino toy ny tsinotsinona ery

Nefa Izy ilay teny tsy mivadika
Izy no sady toky sy maharitra
Izy miandry anao hanolo-tanana
Te-handray ka hiara-dalana

Ny tahotra ny Tompo Andriamanitra
No fiantombohampahendrena maharitra
Fa mila mahafantatra ny Teniny
Mba tsy ho diso lalana hania

Miandry anao
Ny Tompo tia

Partager dieny izao

Commenter dieny izao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe POOPY

Suite