4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Dina - Rija Rasolondraibe

Toa semban-drahona indraindray

Ilay dina nifanaovanay

Mila ho kivy ka valaketraka izahay



Ireo fotoana niarahana

Nahatsapanay fahafahana

Toa manjavozavo ka zary tsy tazanay



Toa tsy navela

Voafefy sy voafatotra

Tsy afaka nivelatra

Tsy afaka nikopak’elatra



Nefa ts’isy azo atao

Izaho efa tia anao

Tsy azo averina fa tsy ho tia intsony aho



Nefa tsisy azo atao

Izaho efa tia anao

Efa feno anao ny fiainako hatrizay



Dia ho fahotana ve raha toa

Mifankatia izahay roa

Ka varimbariana eny indraindray



Satria ny hafanana tao am-po

Tafara-dia tena tia tokoa

Ka nanadino ny manodidina anay



Izay toa tsy namela

Namefy sy namatotra

Tsy nahafahanay nivelatra

Tsy nahafahanay nikopak’elatra



Nefa ts’isy azo atao ....


Partager dina

Commenter dina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Rasolondraibe

Suite